Ahoana
Ahoana?
1
Miditra mpikambana
Mora ny miditra sy manokatra kaonty mTOMADY. Ny ilainao dia ny kara-panondronao (CIN) na certificat de residence raha tsy ampy taona ianao, telefaonina (finday) misy carte SIM., izay tsy voatery anao fa afaka ampiasainao Afaka manampy anao ny agent mTOMADY hitanao eny amin’ny CSB na araho ny rohy araky ny tambazotranao (opérateur).
Ampidiro ny *579# fidio ny “1. Tahiry ho ahy” ary araho ny toro-marika.

2
Hanangona na handray vola
Toy izao no afahanao manangona vola ao amin’ny kaonty mTOMADY.
1) Afaka mandray vola avy amina olon-kafa ianao, avy amin’ireo namanao ohatra na havanao. Omeo azy ireo ny laharan’ny telefaoninao misy ny kaonty mTomady ary asaivo miditra ao amin’ny *579# izy raha Airtel na #111*1*5*4*2# raha toa ka Telma ary asaivo manaraka ny toro-marika izy avy eo.
2) Mandefasà vola avy ao amin’ny kaonty mobile money anao. Tsindrio ny iray amin’ireo kaody etsy ambony raha Airtel na Telma ny laharana findainao, fidio ny “1. Tahiry ho ahy” ary araho ny toromarika avy eo.
3) Mametraha lelavola amin’ny alalan’ny Cash point mba hahafahanao manao petra-bola mTomady na manantona ireo tompon’andraikitry ny mTomady eny anivon’ireo CSB mpiara-miasa raha mila fanampiana ny amin’izany.

3
Handoa vola amin’ny mTOMADY
Rehefa handoa saram-pitsaboana miaraka amin’ny mTOMADY ianao, dia ampahafantarò ny mpiasan’ny CSB fa manana mTOMADY ianao. Ny laharan’ny telefaoninao no anamarinana izany. Maharay SMS milaza ny fitsaboana azonao sy ny vola aloha ary ny Code ilaina ianao. Raha ekenao ireo voalaza rehetra ireo, dia omeo ny mpandray vola ny code. Raha sanatria tsy ampy ny toe-bolanao ao anatin’ny kaonty mTOMADY dia mila alohanao lela-vola ny ambiny.
4
Voaraka tanteraka ny tahiry sy bonus
mTOMADY dia azo antoka sy mangarahara.
Afaka arahinao tsy tapaka ny hetsika telo farany tao amin’ny kaontinao, ny totalin’ny vola nampidirinao sy nampidirin’olon-kafa ary koa ny bonus azonao. Araho eto ny toromarika araky ny tambazotra misy anao.

4
Voaraka tanteraka ny tahiry sy bonus
mTOMADY dia azo antoka sy mangarahara. Afaka arahanao tsy tapaka ny hetsika telo farany tao amin’ny kaontinao, ny totalin’ny vola nampidirinao sy nampidirin’olon-kafa ary koa ny bonus azonao. Araho eto ny toromarika araky ny tambazotranao.

5
Fitoniana miaraka amin’ny mTOMADy
Vohoka mizotra ao anatin’ny fitoniana sy miafara ao anatin’ny fifaliana. Eo mTOMADY hamaly ny ilainao mandritry ny fitondrana vohoka.
mtomady.com © 2018 | Fepetra Ankapobeny - Fiarovana ny angona manokana